Anisan’ny kaominina iray voasokajy ho mahafa-po amin’ny fandraisana olona ny kaominina Anosizato Andrefana.
Hatao kaominina filamatra amin’ilay tetikasa Open fokontany ity kaominina ity manomboka izao, fanapahan-kevitra noraisin’ny vondrona Habaka sy ny orinasam-pifandraisana Orange ary ny GIZ. Mba hahafahan’izy ireo miasa avy hatrany ary dia notoloran’ny orinasam-pifandraisana Orange Madagascar Smartphone miisa 100 sy tablette 28 isa izy ireo miampy connexion wifi maimaimpoana. Ny hahafahan’ny kaominina manangona haingana ny isan’ireo olona tokony handoa hetra ao aminy no tanjona, ny hahafahantarana ireo fotodrafitrasa ilain’ny mponina amin’ny fiainana andavanandro. Eo ihany koa ny hanafainganana ny fomba fiasa. Nambaran’ny Ben’ny tanàna Andriambololona Laurence fa hanampy betsaka azy ireo amin’ny fanatsarana ny asa eo anivon’ny kaominina tokoa ny fisian’izao fitaovam-pifandraisana avy amin’ny orinasa Orange izao. Ho an’ireo olona hikarakara raharaha ka haka taratasy eo anivon’ny kaominina kosa dia azon’izy ireny atao tsara ny mijery vaovao maimaimpoana ny internet eo anivon’ity kaominina iray ity.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.