Marisarisa ihany ny fandriampahalemana ho an’ny kaominina Ampitatafika, distrikan’Antananarivo Atsimondrano na dia tsy misy aza ny fanafihana mitam-piadiana raha araka fanazavan’ny Ben’ny tanana Rado Ramparaelina.
Mahazo vahana indray mantsy tato ho ato ireo jiolahy mitoraka môtô scooter amin’ny andro alina ka eo anelanelan’ny Fokontany Malaza sy Ambodiafontsy no tena ahitana izany. Torahan’ireo jiolahy ny kodiarana alohan’ilay môtô ary bataina avy hatrany raha vantany vao mijanona ilay mpamily. Maromaro ireo efa lasibatr’izany, raha araka ny fanazavan’ity Ben’ny tanana io, antony nanosika azy hamelona indray ireo andrin-jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro efa nangalaran’olona miazo iny lalam-pirenena voalohany ity. Fitaovana miisa 14 no ho avy, nafarana avy any Sina, raha mpangalatra miisa 12 tratra kosa no efa nampidirina am-ponja. Asa goavana faramparany hatrehin’ny kaominina amin’ity taona 2018 ity moa ny fijerena indray ireo Fokontany sasany tsy mahazo rano fisotro madio. Noho ny faharitan’ny rano no nambaran’ny Ben’ny tanana fa anisan’ny antony mahatonga izany fa hisy ny fananganan’izy ireo siniben-drano iray goavana hamatsiana ny mponina.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.