Fandriampahalemana

Kaomandy vaovaon’ny zandarimaria Hitohy ny fanadiovana sy ny ady amin’ny kolikoly


  • Alatsinainy 09 Aprily 2018

Tontosa tam-pirahalahiana ny sabotsy 7 aprily 2018 teo tamin’ny valo ora maraina ny fifamindran’asa teo amin’ny jeneraly Ramiandrisoa Jean de Dieu Daniel, kaomandin’ny zandarimariam-pirenena teo aloha sy ny jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa, hisolo toerana azy.

Teo ambany fiahian’ny Jeneraly Randriamahavalisoa Girad, sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena ny lanonana ara-miaramila nisian’ny fifanaovan-tsonia ireo antontan-taratasy mahakasika ny asa eo anivon’ny fibaikoana ny zandarimaria, izay narahina lahateny fohy nifandimbiasan’izy ireo. Nanafatrafatra ny Kaomandin’ny zandarimaria teo aloha amin’ny mba hitohizan’ny ezaka goavana efa nataony sy hanatsarana bebe kokoa ny fomba fiasa, ary nanome tso-drano ny kaomandy vaovao hahavita be amin’ny andraikitra nomena azy. Tsy adinony ihany koa ny nisaotra ireo mpiara-miasa taminy nandritra ny fotoana nitantanany. Ho an’ny jeneraly kaomandy vaovao, dia nanamafy ny fahavononany tanteraka hanatontosa ny adidy sy andraikitra lehibe  nankinina  aminy izy ary mbola nanome toky fa hanao izay tratry ny heriny sy hametraka vina sy paikady vaovao hoenti-manatsara hatrany ny zandarimariam-pirenena. Nisaotra ny jeneraly Ramiandrisoa Jean de Dieu Daniel ny tenany tamin’ireo asa maro vitany. Anisan’izany ny fanadiovana anatiny sy ny fiadiana tamin’ny kolikoly teto anivon’ny zandarimaria. Fisaorana lehibe no natolotry ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria  ny kaomandy ny zandarimaria teo aloha, izay handeha hisotro ronono, nandritra ny lahateny izay nataony tamin’ireo ezaka lehibe izay vitany ary tamin’ny fanadiovana ny zandarimariam-pirenena teo amin’ny lafiny rehetra.

 


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT