Fandriampahalemana

Kandida depiote atidohana kidnapping Nomena fahafahana vonjimaika i Hajanirina


  • Alarobia 27 Martsa 2019

Nomen’ny Fitsarana Ambony Toamasina fahafahana vonjimaika i Manantena Hajanirina Dina izay voarohirohy noho ny fakana an-keriny.

 

 

Nanao fanakanana ny fampanoavana amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany any an-toerana, saingy tsy afa-nanoatra. Ny androtr’io ihany dia efa niala tao Toamasina an’Antananarivo ny tenany, raha ny fampitam-baovao. Nizarany ny hafaliany io fahafahany io ireo namany, ary koa ny nampahafantarany fa « tsy nisy nanampo ny nialany » tao am-ponja ny maro. Marihina fa voarohirohy ho niketrika ny fakana an-keriny ilay teratany karana Arman Kamis ny tenany ny volana novambra 2018, ary voasambotra tany Antsirabe ny volana desambra 2018. Niisa 8 ireo niara-voasambotra taminy. Nilaza ny tsy hanaiky lembenana amin’ny mety ho fanavotana sy fampanoavana tao Toamasina ny volana desambra 2018. Mahagaga fa tsy mbola notsaraina ity raharaha ity no izao nomena fahafahana vonjimaika izao ilay voalaza fa atidohan’io fakana an-keriny io. Kandida depiote mpisolo toerana amin’ny lisitra tsy miankina iray mirotsaka ao amin’ny distrikan’Ifanadiana i Manantena Hajanirina Dina, amin’ny fifidianana solombavambahoaka hatao amin’ny 27 mey 2019.  Mampiahiahy ny nahazoany fahafahana vonjimaika izay mety efa ela izany, fa natao nangingina matoa afaka nikarakara ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiany izy. Toa manamarina izany rahateo ny vaovao nivoaka vao andro vitsy izay momba ny fisamborana azy indray, saingy io nomena fahafahana io. Misy amin’ireo dosie misy 14 karazany rahateo tsy maintsy fenoin'ny mpilatsaka ho fidiana, ka tsy maintsy eo imason’ny tompony no atao ny fanamarinana azy.  Tany aloha dia ny Vondrona MAPAR no nahalalana azy, ka asa na misy hifandraisany amin’izany izao fanafahana azy izao na tsia.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT