Fandriampahalemana

Jiolahy mpanafika eto an-drenivohitra Mampiasa basy mahery vaika sy ody gasy


  • Zoma 08 Martsa 2019

Jiolahy miisa enina niaraka tamina fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny basy poleta efatra, antsy maranitra, ody gasy no saron’ny mpitandro ny filaminana eo anivon’ny sampandraharaha misahana ny ady

 

 

heloka be vava etsy Anosy  nanomboka ny 28 febroary ka hatramin’ny 1 martsa lasa teo, namaky tranon’olona teto an-drenivohitra. Raha araka ny fanazavan’ny kaomisera Serali dia nanomboka tamin’ny  volana desambra taona 2018 lasa teo izy ireo no nanao ny asa ratsiny hatramin’ny volana janoary taona 2019. Tokantrano maromaro no nahita faisana toy ilay teny Ankorondrano izay nahaverezana vola 100 tapitrisa Ar, ny tao Antohomadinika nahaverezana vola 26 tapitrisa Ar. Mpitandro ny filaminana efa tsy miasa intsony ny iray amin’izy ireo, ahiahiana ho nanome basy ireto namany dimy hafa. Natolotra ny fitsarana omaly ihany izy enina mirahalahy ireto.

Pati

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT