Fandriampahalemana

Jiolahy mpamono ben’ny tanàna Lavon’ny zandary tao Analavory


  • Alatsinainy 20 Novambra 2017

Jiolahy miisa 5 mpanao fanafihana mitam-piadiana no tra-tehaky ny zandarimariam-pirenena avy ao Analavory ny 12, 13 ary 15 novambra lasa teo, ka ny 4 azo sambo-belona fa ny iray kosa maty.

 

 Nandositra izy ka nitifitra ny zandary rehefa tsy nety nijanona. Ny  12 novambra 2017, dia nidina tany Borikely distrikan’i Tsiroanomandindy ny zandary raha nandre fa misitrika ao amin’io toerana io ny iray tamin’ireo jiolahy nikapa famaky ka nahafaty ilay zazalahy 17 taona tao Ambohitratoandro, kaominina Analavory ny alin’ny 5 novambra  teo. Izy io avy eo no nanoro ny namany roalahy hafa izay voasambotra tany Ampizarantany, kaominina ambanivohitra Bemahatazana, distrikan’i Tsiroanomandidy ihany ny marainan’ny 15 novambra teo. Samy niaiky ny anton-diany tamin’io fotoana io saingy raiki-tahotra indray rehefa nahita an’ilay zazalahy maty voakapan’ny iray tamin’izy ireo famaky ka nandositra tsy naka ninoninona. Ny raharaha faharoa dia ny nahalavo an’i Fealoza Faly jiolahy raindahiny ny 15 novambra teo tao Ankonabe, kaominina Analavory hatrany. Ny 13 novambra teo moa no voasambotra tao Tsarazaza ny ny naman’izy ireo iray saika hanafika mpandraharaha iray tany Ampefy (chute de la Lilly) tamin’ny volana oktobra lasa teo. Izy io no nasaina niantso an’i Fealoza ka nahalalana fa efa hiazo an’Analavory ity farany hamonjy ny fandevenana an’i Letsivery, iray tamin’ireo jiolahy namono ny ben’ny tanànan’Ampefy.  Nanao ny vela-pandrika ny zandary ka voasakana ny fiara nitondra azy. Rehefa nasaina nidina izy dia nandositra avy hatrany. Niezaka ny hampijanona azy im-betsaka tamin’ny feo avo ihany ny mpitandro ny filaminana saingy tsy nanaiky izy ka voatery nitifitra ary nahalavo azy. Ity jiolahy ity moa dia efa nokarohana efa ela. Ankoatra ny halatra omby fanaony, lehibena fikambanan-jiolahy koa izy. Izy no nitarika ireo jiolahy tamin’ny famonoana ny ben’ny tanànan’Ampefy sy Andolofotsy dia izy ihany koa no nitarika ny ankamaroan’ny fanafihana tany amin’ny faritra Itasy sy Bongolava iny hatrizay, raha ny fampitam-baovaon’ny zandary hatrany.

 

J. Mirija

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT