11 lahy no voasambotry ny polisin’ny boriborintany fahatelo Antaninandro amin'ny resaka famakiana fiara sy fanendahana.
5 no mpamaky fiara tratra ka ny iray dia voasambotra teny amin'ny faritry Nanisana. Fiaran'olona nipetraka teny an-toerana no novakiany. Nisy nahatsikaritra ny fihetsika ka nanao tatitra teny amin'ny fokontany ary ireto farany avy eo no nampandre ny polisy eny an-toerana ka nalaina tany amin'ny trano fonenany teny Nanisana ihany. Ny iray hafa kosa teny amin'ny Jovena Antaninandro niaraka amin'ny fitaovana toy ny lakile famohana varavarana fiara ary voasambotra teny Ankadifotsy. Eny amin'ny manodidina ny Jovenna Antaninandro sy Mascar moa no nolazainy fa toerana fanaovany ny asa ratsiny. Ny telo lahy farany dia tratra nivarotra bateria halatra teny Behoririka. Ny fanadihadiana azy ireo no nahafantarana fa nalain’izy ireo ny bateria an 'ny fiara mpampiasa azy ka namidin’izy ireo. Ny enin-dahy tamin'ilay 11 lahy vosambotra kosa dia nifanena tamin'ny polisy nanao fisafoana teny amin'ny Rotsirotsy Andravoahangy rehefa avy nanendaka mpamily sy ny reseverany. Efatra no voasambotra teo no ho eo fa ireo indray avy eo no nanoro ny namany izay tra-tehaka teo am-pizaram-bola teo Andravoahangy ihany. Miisa efatra ny tsy ampy taona amin'izy ireo, raha ny fampitam-baovao hatrany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.