Fandriampahalemana

Jeneraly Tsaranazy Jean Emile “Tsy dia mampino loatra ilay hoe nisy nifofo aina”


  • Talata 15 Novambra 2022

Tsy indray mandeha no nisy fanambarana fa ny filohan’ny repoblika izao tamin’ny Appolo 21 dia hoe nisy nifofo ny ainy, hoy ny minisitra teo aloha sady mpanao politika, ny jeneraly Tsaranazy Jean Emile.

Izao indray izany ny ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitr’i Madagasikara, hoy izy. Iza indray izany no manaraka? Ohatry ny tsy dia mampino izany amiko. Raha sanatria ka nisy izany dia tsy ilay olona no tokony hanao fanambarana fa ny mpitandro filaminana izay manao ny fanadihadiana. Misy tsy filaminan-tsaina ao amin’ny mpitondra ao. Na ny filohan’ny repoblika na ny ben’ny tanàna dia misy karazana fanaovana resaka mba hialan’ny vahoaka malagasy ny fahasarotam-piainana an-davan’andro. “Diversion” na fandrendrehana saim-bahoaka izany amiko. Raha izany loholona mikasi-tanana olona izany kosa amiko dia tsy fahamatorana. Tsy kitanotano ny fanaovana politika fa olona niofana nandritry ny fotoana ela no tokony ho tonga amin’izany toerana loholona izany. Raha olona voatendry kitanotano na voafidy noho ny fananam-bola fotsiny dia tsy mahagaga raha tonga amin’izany ny fiainana politika eto Madagasikara, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT