Fandriampahalemana

Jeneraly Richard Ravalomanana « Aoka tsy hakiviana ny mpitandro filaminana »


  • Alarobia 26 Aogositra 2020

Tonga namangy ireo zandary roalahy voatifitry ny dahalo tany Ampanihy Miandrivazo ny fianakaviamben'ny Zandarimaria izay notarihin'ny Jeneraly Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria (SEG) sy ny Jeneraly Komandin'ny zandarimariam-pirenena, teny amin'ny Hopitaly miaramila Soavinandriana, omaly maraina.

 

 

 

 Nankahery sy nanome « primes de bravoure » na mari-pahamendrehana sy ranom-boakazo ary nanambara ny fanomezana "bonification d'ancienneté en port de grade" sy "choix de poste d'affectation" ny SEG, Richard Ravalomanana, sy ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon'ny Zandarimaria niaraka taminy. Tamin’ny alalan’ny angidimby moa, raha ny fanazavana, no nanavotana ny ain'ireo zandary naratra avy any Ampanihy. Ny Hopitaly miaramila kosa no mandray an-tanana tanteraka ny fitsaboana ireto zandary ireto. "Aoka tsy ho hakiviana ny mpitandro filaminana amin'ny asa sahaniny. Efa tsy fidiny ny mamono ireo olon-dratsy fa tsy maintsy miaro tena ireo mpitandro filaminana, hoy hatrany ny SEG.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT