Fandriampahalemana

Ivoamba Lalangina Jiolahy 3 lavon’ny bala, 05 tratra


  • Alakamisy 30 Desambra 2021

Jiolahy miisa 05 no voasambotra ka 01 no lavon’ny balan’ny Polisy miasa ao amin’ny Fitaleovam-paritry ny Filaminam-bahoaka (DRSP) Matsiatra Ambony ny 29 desambra lasa teo tany an-toerana rehefa namaky trano.


 Naharay fitoriana maromaro mahakasika ny halatra akoho amam-borona miisa 27 sy ondry maromaro arahana herisetra izay mateti-piseho any an-toerana ny Polisy miasa ao amin’ny Fitaleovam-paritry ny Filaminam-bahoaka (DRSP) Matsiatra ambony raha tsiahivina. Omaly 29 desambra 2021 tokony ho tamin’ny 07 ora sy 30mn araka izany dia nandray ny andraikiny izy ireo tamin’ny fisamborana ny tompon’antoka tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ivoamba Distrikan’i Lalangina. Nandritra izany no niezaka nanohitra sy nandositra ireo Polisy ny lehilahy 30 taona nahavanon-doza tamin’ny alalan’ny fampiasana ny fitaovam-piadiana teny aminy ka tamin’izay na nahalavo azy. Ity farany dia tsy zoviana amin’ny maro intsony mikasika ny resaka halatra akoho amam-borona mitranga any an-toerana tato ho ato. Mitohy hatrany ny fikarohana hataon’ny Polisy any an-toerana mahakasika ireo olon-dratsy namany. Ny marainan’ny 29 desambra teo tokony ho tamin’ny 05 ora kosa no voasambotry ny Polisin’ny UIR (Unité d’Intervention Rapide) tany an-toerana ireo lehilahy miisa 04 izay tompon’antoka tamin’ny vaky trano mitranga tao amin’ny fari-piadidian’izy ireo. Mbola tratra tao amin’ny trano fonenan’izy ireo avokoa ny zavatra vao avy nangalariny tany amin’ilay trano novakiny. Marihina fa efa mpamerin-keloka izy ireo ary resaka halatra miaro vaky trano no nidirana tany am-ponja ka vao nivoaka tamin’ny volana aogositra 2021 lasa teo izy ireo. 22 ka hatramin’ny 38 ny salan-taonan’izy ireo.
Pati
Legende : Ilay jiolahy iray maty sy ireo namany !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT