Ela ny nitoratorahana ilay tovovavy iray mpanendaka sy mpisoloky eny amin’iny faritra Itaosy Atsimondrano iny omaly Alatsinainy. Raha araka ny loharanom-baovao mantsy dia hataon’izy io mahita faisana mihitsy ireo ankizy madinika sy olon-dehibe hitany fa marefo.
Faritra roa dia ny ao Anjazamihira sy Ambohidahy no tena hanaovany ny asa ratsiny ka tsy vitsy ireo efa niandry ny fandalovany fotsiny. Andro maromaro raha ny fantatra hatrany no efa nanaraha-maso azy io. Tovolahy roa no nisambotra azy omaly. Nahita politika indray anefa ny tovovavy rehefa voasambotra. Nihiaka nitomany izy fa misy manolana no sady niantso vonjy. Rehefa nitongorona anefa ny olona dia nitomany mafy ny anaovavy no sady nifona indray avy eo. Nateriny avy hatrany tany amin’ny mpitandro ny filaminana Ramatoakely mba hanaovana fanadihadiana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.