Fandriampahalemana

ITAOSY Mirongatra ny vaky trano


  • Talata 12 Martsa 2019

Tsy vitsy ireo mponina tonga mitaraina amin’ny tomponandraikitra eny an-toerana, indrindra amin’ny fokontany mahakasika ireo izay lasibatry ny vaky trano, indrindra ny lakozia sy ny tsena ambany rihana izay tsy misy mpatory.

 

 

 Lehilahy iray  36  taona ary  no voasambotry ny Polisy  miasa ao amin’ny “CSP Itaosy” ny alahady lasa  teo  tokony ho tamin’ny 12 ora alina saika hanatanteraka famakiana trano. Ny namany kosa niditra elankelan-trano nanararaotra ny andro maizina ka nanjavona. Io alin’ny 10 marsa hifoha alatsinainy io, teny amin’ny faritra Bemasoandro Itaosy iny  nandritra ny fisafoana nataon’ny mpitandro filaminana dia nahazo antso tamin’ireo andromasompokonolona ny Polisy fa  misy  tovolahy miisa roa  tsy mazava mihaodihaody eny  an-toerana. Tonga ara-potoana noho  izany ireo tompon’andraikitra  ka  vantany vao nahatazana azy  ireo  ny mpanao ratsy dia niezaka nitsoaka . Tsy lasa lavitra ny iray dia tratra fa ny namany hafa  kosa tafaporitsaka, arak any loharanom-baovaon’ny Polisim-pirenena. Mbola nahatrarana fitaovana fanongotana fantsika tahaka ny “bar pince” sy  antsy ary fanapahana vy “pince coupante » lehibe teny aminy nandritra ny fisamborana azy. Fantatra fa nieritreritra ny hanatanteraka asa ratsy teny amin’iny toerana iny izy ireo dia  izao nifanehitra tamin’ny Polisy izao. Natolotra ny fampanoavana omaly 11 martsa ny raharaha. Mahavelombolo ny mponina ny mahita ny fahatongavana ara-potoana ho an’ny mpitandro filaminana tahaka izao.

Haja Nirina

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT