Fandriampahalemana

ISOTRY Tratra teo am-panosehana moto halatra ilay lehilahy


  • Zoma 24 Aprily 2020

Lehilahy iray no voasambotry ny polisim-pirenena avy ao amin'ny CSP4 Isotry ny alakamisy 23 aprily teo noho ny resaka halatra moto.

 

 

 Manoloana ny firongatry ny vakin-trano eny amin'ireo faritra toa an'Andavamamba, Manarintsoa,Anatihazo Isotry, Andranomanalina sy ny manodidina dia nampitomboina ny fisafoana hatao amin'ireo faritra ireo mandritra ny alina. Nahitam-bokany izany satria ny alakamisy tokony ho tamin'ny 02 ora maraina teo dia lehilahy iray, 30 taona no voasambotra nandritra ny fandalovan'ireo mpanao fisafoana tao Manarintsoa manodidina ny faritra Vorodamba iny. Nanosika moto scooter iray ity lahilahy ity no nifanehatra tamin'ireto polisy ireto ka vaky nandositra avy hatrany. Voasambotra tsy lavitra teo ihany anefa izy. Nogiazana avy hatrany kosa ilay moto izay natosiny. Nandritra ny fanadihadiana no nahafantarana fa monina any Ivandry ity lehilahy voasambotra ity. Niaiky izy fa moto vao avy nangalariny tamina tokantrano iray teny Manarintsoa ity tratra teny aminy ity. Mbola mitohy ny fanadihadiana azy ankehitriny, ary nogiazana ao amin'ny CSP4 Isotry eo am-piandrasana ny tompon'ilay moto hitondra ny taratasy manamarina fa azy ilay moto.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT