Fandriampahalemana

Iray volan`ny famotsoran-keloka Mila fehezina ny fitazonana ny basy


  • Alarobia 19 Septambra 2018

Nanomboka omaly talata 18 septambra ny iray volan`ny famotsoran-keloka mba ahafahana mampanaran-dalàna ny fitazonana ny basy sy ny famerenana tsy misy arakaraka izay eo am-pelatanan`ny manana.

    Fanapahan-kevitra raisin`ny fanjakana tao anatin`ny herinandro ny hetsika ka nanatanteraka dinik`asa sy atrikasa ny minisiteran`ny fiarovam-pirenena sy ny minisiteran`ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana izay natao hampahafantarana sy handaminana ny asa ao anatin`ny iray volana. Miparitaka loatra mantsy ny fitaovam-piadiana, ny basy mahery vaika. Fanafihana mitam-piadiana no hita sy re na amin`ny antoandro na amin`ny alina. Tsy tahotra, tsy henatra fa sahy manao asa ratsy ny jiolahy. Tsy natao hitakiana ireo basy eny am-pelatanan`ny tsirairay ny hetsika fa kosa ao anatin`ny tondrozotra afrikanina, izay manambara fa tsy tokony hisy basy hiparitaka intsony amin`ny taona 2020 satria hita fa manakorontana ny fananana azy sady manakorontana ny famokarana azy, hoy ny sekretera jeneralin`ny minisiteran`ny fiarovam-pirenena, Vice Amiral Rakotoarisoa Marie Jean Lucien. Entanina ny vahoaka amin`ny fiaraha-miasa mba hametraka amin`ny fomba ara-dalàna izay basy any am-pelatanany, hoy ity tompon’andraikitra ity. Azo atao tsara ny mametraka ireo basy ireo amin`ny fomba ara-dalàna satria misy ny taratasy fahazoan-dalana sy mitazona azy ireny. Manana fotoana hanatonana ireo tompon’andraikitra ny vahoaka ao anatin`ny iray volana ary tsy hisy fanenjehana ny famerenana azy.  Raha sendra misy basy an`ny fanjakana, entanina hatrany ny vahoaka hamerina azy ireny satria efa voafetra ho an`ny mpitandro ny filaminnana ny fampiasana azy. Nilaza kosa izy fa mety hampihemotra ireo mivarotra basy tsy ara-dalàna izany. Voakasik`ity hetsika ity avokoa ny sokajy rehetra eo amin`ny fitaovam-piadiana toy ny “arme de guerre” (categorie 1) sy ny basy azon`ny sivily entina ( categorie 2 …) toy ny PA, basy lava... Azo atao tsara ny mividy sy mangataka fahazoan-dalana any amin`ny sampandraharaha misahana an`izany toy ny faritany. minisiteran’ny atitany raha any amin`ny faritra, Nohamafisin`ny Vice Amiral Rakotoarisoa Marie Jean Lucien fa tsy fitaka akory ity hetsika atao ity raha mbola ao anatin`ny fe-potoanan`ny 30 andro. Tafiditra amin`ny hetsika fampandriana fahalemana na “Mandio” izy ity. Antenaina mba hitondra hatrany vahaolana maharitra tokoa izao satria mikaikaika, miantso vonjy mihitsy aza, noho ny firongatry ny tsy fandriampahalemana ny Malagasy. Ahiana ho faritra mena mantsy i Madagasikara raha tsy mandray fepetra matotra ny fanjakana.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT