Fandriampahalemana

Iraka tarihin'ny Praiminisitra Hamerina ny “Dinan’i Melaky tsy mipoly”


  • Zoma 22 Jolay 2022

Nigadona tao Maintirano omaly 21 jolay 2022 ny Praiminisitra lehiben'ny governemanta Atoa Ntsay Christian.

Tsy nandeha irery fa miaraka amin’ny mpikambana maromaro ao anatin’ny governemanta Minisitry ny Angovo sy Rano ary Akoran’Afo izay Ministra mpiahy ny Faritra Melaky, Minisitry ny Filaminam-bahoaka, sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, Minisitry ny Atitany sy Fitsinjaram-pahefana, ny Tale jeneraly ao amin'ny Minisiteran’ny Fitsarana, Lehiben’ny faritra, lehiben’ny distrika maromaro… Hidinika ny tetika hampanjakana ny fandriampahalemana maharitra ho an'ny vahoaka izay iarahana amin'ireo Tompon'andraikitra ao amin'ny faritra Melaky, hoy ny fampitam-baovao. Laharam-pahamehana mandritra izao dinika izao ny hanomezana aina indray ny Dinan'i Melaky tsy mipoly efa nisy hatrizay, ka hanaovana dinika mandritra ny roa andro. Mila ny fifampitokisana sy fandraisana andraikitry ny tsirairay ny famerenana ny fandriam-pahalemana, hoy ny Praiminisitra. Izany no nambara fa antony itodihana amin'ny famerenana ny dina, ary tsy maintsy hahitsy ny tsy nety; hotohizana ny efa nahitana fahombiazana, nampilamina ny fiarahamonina sy nahafahany namokatra. Nisy moa ny fahoriam-bahoaka natao tao Maintirano io omaly io.

Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT