Miaina anaty fitaintainana tanteraka ireo mponina ao anatin’ny kaominina Imerimandroso, distrikan’Ambohidratrimo.
Lohalaharana ny tsy fandriampahalemana izay tena mahazo vahana tokoa. Dahalo mirongo basy miisa 30, andro vitsy lasa izay, no nanohitra fokonolona handeha hanenjika omby very miisa telo ka niveri-maina fotsiny ireto farany. Mandefa feo indray ny dahalo nanomboka ny faran’ny herinandro teo raha araka ny vaovao azo omaly fa olona indray no alaina hanaraka azy manomboka eto fa tsy omby intsony. Tsy vitsy amin’ireo zaza amam-behivavy no tsy sahy mivoaka ny trano intsony na dia handeha ho any an-tsaha aza sao dia misy maka. Eo an-danin’izay, diso be loatra ireo olona milaza ho tompon’andraikitra any ambanivohitra any raha araka ny fijoroana vavolombelona nataon’ireo mponina hatrany. Anisan’ireny ireo milaza ho dahalo niova fo ary vonona ny hiaro ny vahoaka toy ny zaza mainty sy ny zaza mena. Eo ihany koa ny DAS izay tsy maintsy handoavan’ny olona feno taona vola 800 Ar isam-bolana mba hiambina azy ka mahatsiaro ho sahirana ny mponina. Miantso ny fitondram-panjakana hijery akaiky ny zava-misy any ambanivohitra ireo mponina ao Imerimandroso. Tonga nihaino izany teny an-toerana omaly ny solombavambahoaka Johnny Rakotoarisoa, voafidy tao anatin’ny distrikan’Ambohidratrimo ary nampanantena fa handray ny andraikiny. Nisy ihany koa ny tatitra natao taorian’ny telo volana nandraisany ny andraikitra amin’ny maha solombavambahoaka azy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.