Fandriampahalemana

IHOSY Avotry ny polisy ilay takalon’aina sy omby 22


  • Alarobia 27 Martsa 2019

Takalon’aina iray sy omby miisa 22 no tafaverina amin’ny tompony tany Ihosy noho ny fiaraha-miasa teo amin’ny fokonolona sy ny polisy, ny sabotsy 23 martsa lasa teo.

 

 

 

 

Dahalo miisa 14 mirongo basim-borona fito no nanafika ny fokontany Bemandresy sy Androtsy ao amin’ny kaominina Ambanivohitra Ambia, araka ny vaovaon’ny Polism-pirenena Malagasy. Nanao tifi-danitra ny dahalo rehefa nanafika ary nalain’izy ireo ny omby miisa 23 sy ny olona iray hataon’izy ireo kidnapping. Rehefa vita ny fanafihana  dia nentin’izy ireo nitsoaka ireo omby sy ilay olona nalainy an-keriny. Efa nampandre ny polisy anefa ireo fokonolona ka  tsy niandry ela ireto farany fa avy hatrany dia nanao ny paik’ady rehetra ka nitsena ireo dahalo  tamin’ny lalana saika handosirany. Ny fokonolona ihany koa  moa taorian’ny fanafihana dia nanara-dia ireo dahalo. Vao nifanena tamin’ny polisy ireo dahalo dia nirifatra nandositra ka  navelan’izy ireo teo ny omby miisa 22 ary avotra koa ilay takalon’aina. Anisan’ny miasa mafy ireo mpitandro filaminana any Ihosy sy ny manodidina izay faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana. Ankoatra ny fanenjehana dahalo, matetika ihany koa tato ho ato ny vokatra azon’izy ireo amin’ny trafikana harem-pirenena izay mandalo amin’iny toerana iny. Tsy vitsy ireo ezaka ataon’ny mpitandro filaminana amin’ny fandriampahalemana sy fampandriana tany fa maro lavitra noho izany ihany koa ny asa ratsin’ny dahalo. Moa ve tsy misy paik’ady matanjaka tena enti-miatrika amin’ny ady lehibe toy izao eto Madagasikara ka itadiavana ny fomba hamongorana tanteraka ny fanafihana mitam-piadiana ? Raha izao no mitohy miha mahantra ny vahoaka moa ny mpitandro filaminana mivarotr’aina lalandava. 

Haja Nirina

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT