Mitaraina mafy sy miantso vonjy ireo mponina any Ifotaka ao anatin’ny Distrikan’Ámboasary atsimo fa tena manjaka ny dahalo .Halatr’ómby, Fanafihana mitam-piadiana ,
fandrobana fananana.Izany no iainan’ny mponina an-toerana amin’izao fotoana. Rava ny fananana ny Vahoaka , very fanahy mbola velona ka mangataka amin’ny Fanjakana mba hampiana ny isan’ny miaramila sy ny zandary any an-toerana. Lasa miverina indray ireo dahalo manao andiany maro be, 50 lahy, 70 lahy, 100 lahy any amin’iny faritra atsimon’ny nosy iny efa ho herinandro vitsivitsy izay.Misy ireo efa ten sahy miakatra an-tanan-dehibe ary tsy mifiidy ora hanafihana.Misy ny mpitandro filaminana izay miara-miasa amin’ny fokonolona saingy tena tsy ampy isa, raha ny fampitam-baovao voaray hany ka tsy maharesy tosika tsara ireo malaso.Ny atahoranay dia hitombo isa ny mpanafika ka asa fotsiny izay hanjo anay aty hoy ireo mponina nampita ny vaovao.Ka izay no hanao vana antso vonjy amin’ny fitondram-panjakana mba handefa miaramila sy zandary miaraka amin’ny fitaovam-piadiana ho any an-toerana..tsy fampandriana fahalemana intsony no atrehana any fa efa ady.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.