Fandriampahalemana

Ibity Antsirabe Mpianaka maty norarafan’ny dahalo tifitra


  • Talata 20 Martsa 2018

Nitrangana fanafihan-dahalo indray ny tao amin’ny kaominina Ibity, distrikan’Antsirabe faharoa ny alin’ny Alahady hifoha alatsinainy 19 martsa 2018 lasa teo, tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany alina, tao amin’ny tanànan’Ampiaka, fokontany Mananjara. Nanapoaka basy in’efatra ireo dahalo.

 Omby niisa 12 no naorin’ireo dahalo nihazo ny lalana mankany Bemaha. Taorian’izay dia nivoaka ireo fokonolona ka nanao ny fanarahan-dia. Nizara roa ireo dahalo ka tao no nandroaka ny omby ary tao no niafina niandry ireo mpanara-dia. Teny an-dalana dia nanapoaka basy ireo dahalo ka taitra ireo mpanara-dia ka niparitaka ary nisy nitsoaka ihany koa ireo omby. Rehefa tonitony dia nanohy ny fanarahan-dia ireo fokonolona ka nisy roalahy dia ny lehiben’ny fokontany Mananjara sy ny zana-drahalahiny nifanena tamin’ireo dahalo, izay tsy fantany. Nanontany ireo dahalo hono hoe: iza ianareo, satria ao anatin’ny haizina, dia namaly ampahatsorana ireo nanotaniana fa mpanara-dia, saingy tonga dia tifitra no nahazo azy ireo. Maty vokatry ny tifitra izy mianaka izay 70 taona sy 46 taona. Omby 3 tamin’ny 12 no tafaverina. Nomarihin’ny solombavambahoaka, Randrianantenaina José, nandritra ny fatsapana alahelo ireo niharam-boina fa lany andro amin’ny fiambenana ny Orinasa AAA-Tiko ny mpitandro ny filaminana marobe, ka adino ny adidy tokony ho tena sahaniny, izay miantraika amin’ny ain’ny vahoaka toa izao.

Caius R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT