Fandriampahalemana

HOPITALY HJRA Tratra ireo mangalatra ny entan’ny marary


  • Alatsinainy 01 Aogositra 2022

tao amin'ny hopitalin'ny HJRA Ampefiloha tokony ho tamin'ny 10 Ora sy 45 minitra. Nanararaotra ny andro alina hidirana tao amin'ny hopitaly izy roalahy ireto ka tsy hitondra marary na hiambina marary velively no tena anton-diany

 fa zavatra hafa. Nihaodihaody nitady izay azony hoentina mody sy ho angalarina izy roalahy. Nisy nahatsikaritra nefa ny fihetsik'izy roalahy ireto ka nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany. Tsy niandry ela ny polisy avy ao amin'ny CSP5, fa nidina ifotony avy hatrany nijery ny zava-misy. Nony tonga tao anatin'ny faritry ny hopitaly ireto polisy ireto dia nahita azy ireo efa saika handositra. Nosamborina avy hatrany ireto jiolahy ireto ka tsy tanteraka ilay halatra noho izany fikasan-dratsiny izany. Noentina avy hatrany teny amin'ny biraon'ny polisy ireto farany nanaovana fanadihadiana, ka tamin'izany no nahafantarana fa efa efa nisy mametraka fitoriana izy roahalahy ireto noho ny resaka halatra ihany.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy roalahy !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT