Tsy kely làlana ny ratsy. Maro hatrany ireo nitaraina ho very entana nandritra ny famoriam-bahoaka tetsy Analakely ny asabotsy lasa teo.
Ny vahoaka hendry niandry tatitra nataon`ireo depiote teo amin`ny Lapan`ny tanàna fa ireo tontakely manao ny asa ratsiny hatrany. Isan’ny tena lasibatra ny finday. Tsy vitsy ireo olona mahamarika ny fihetsik’ireo mpangalatra saingy tsy misy sahy miteny fa mikombom-bava fotsiny. Hafa dia hafa ny fiasan’ireo olon-dratsy. Tsy mandeha irery fa manao andiany eo amin’ny telo eo. Tsy miara-miditra izy ireo fa misy elanelany, hoy ny filazan’ireo efa nahita. Raha vao avy mangarona paosy ny iray dia tsy mitazona izany fa omeny ilay namany iray manaraka azy avy aoriana. Amin’izay mantsy raha tratra izy ka savaina dia tsy misy na inona na inona any aminy. Dia sahala izany hatrany. Mpanao gazety miisa roa, ohatra, no anisan`ireo lasibatra. Tsy vitan’izany ihany koa, nisy teratany vahiny iray izay liana tamin`ilay hetsika nisavoritahan`ireo mpanao ratsy ary nolazain`izy ireo fa mpitsongo-dia. Lasa ny sakaosy nisy ny vola sy antontan-taratasy samihafa ary fakan-tsary raitra sy hiaka teny amin`ilay mpizahatany. Toa mahazendana ihany koa ny tetika ataon’ireo mpanao ratsy dia ny tsy hahafantarana azy amin’ny endrika ivelany sy ny fitafy intsony, fa raha tsy efa eo am-panatanterahana ny asa ratsiny izy ireo tsy taitra avokoa. Mila mailo araka izany ny rehetra, indrindra ireo tia mampiasa finday eny am-dalambe fa ny ratsy tsy kely lalana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.