Natolotra ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina omaly talata 12 septambra teny amin’ny CCI ny drafitra momba ny fampandriana fahalemana PN-RSS novolavolaina tao anatin’ny 3 taona.
Nila fotoana tamin’ny fandinihana izany drafitra stratejika izany satria mila mandeha eran’ny faritra isika nihaino, nijery, namantatra izay zavatra misy sy izay zavatra miseho, hoy ny filoha. Fandraisana anjaran’ny rehetra ny fandriampahalemana fa tsy mipetraka fotsiny amin’ny miaramila polisy, zandary, miaramila, mpitondra fanjakana,.... Ny ady dia tsy ny firenena avy any ivelany no manafika an’i Madagasikara, fa ato anatiny. Malagasy ray Malagasy reny no miady, mangalatra, mandroba fananan’ny Malagasy tahaka azy, ary tsy mampandry fahalemana ity firenentsika ity, ka misakana ny tena fampandrosoana, hoy hatrany Rajaonarimampianina. Efa mandray ny andraikiny tanteraka ny fitondram-panjakana hatramin’izay fa mbola hamifisina sy hatevenina ny asa rehetra atao. Aza ailikao amin’ny hafa ny andraikitrao amin’ny fiarovana ny firenentsika sy ny tenanao sy ny fanananao. Handray ny andraikiny araka izay azony atao ny fitondram-panjakana. Izany rehetra izany ny fampanantenany, saingy ny ampitso no hitsara. Manampy ny Firenena Mikambana amin’ny alalan’ny Tahiry ho an’ny fanamafisana ny fandriampahalemana hanampiana ny Tafika amin’ny hanatanterahany an-tsakany sy an-davany ny asany, ary tsy maintsy hojerena amin’ny tetibola 2018 ihany koa ny fanamafisana ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana. Anjaran’ny rehetra kosa ny mamaky bantsilana momba ny dahalo ambony latabatra. Efa misy rafitra miady amin’izany, ary efa misy fitaizana azo atao amin’ny alalan’ny firaisamonim-pirenena. Firifiry moa ny vaky bantsilana toy ny nataon’ny vondrona politika DFP (Dinika Fanavotam-Pirenena) momba ireo dahalo ambony latabatra sy kolikoly goavana saingy mba nisy nihaino ve ? Inona no tohiny ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.