Fandriampahalemana

Herisetra sy asan-jiolahy Nisy naka an-keriny ny zanak’i Chandarana


  • Alatsinainy 04 Jona 2018

Nisy naka an-keriny teny Andakana-Ambohidratrimo amin’iny lalam-pirenena faha-4 mihazo an’i Mahajanga, akaikin’ny toeram-pilalaovana Golf iny ny teratany Karana antsoina hoe Rishi Chandarana omaly, izay zanaka lahin’ny tompon’ny hotely lehibe Le Grand Mellis etsy Tsaralalana.

Tokony ho tamin’ny 4 ora tolakandro no nitrangan’izany omaly. Fianakaviana Indianina manana ny maha izy azy ny fianakaviana Chandarana. Ampahatsiahivina fa ny 7 jona 2017 lasa teo no nisy naka an-keriny ihany koa i Pradeep Chandarana, rain’ity karana vao nisy naka an-keriny ity, roa andro monja taorian’ny nahavotsotra an’i Yanish Ismael anisan’ny fakana an-keriny nalaza teto amintsika. Izao tratra izao ihany koa ny zanany, herintaona latsaka 3 andro aty aoriana. Raha hiverenana ny tantara, nivoaka ny tranony i Pradeep Chandarana ary saika hamonjy ny fiarany nijanona teo akaikin’ny tobin-tsolika teo Behoririka no nosamborin’ny 3 lahy nisaron-tava sy nirongo basy, izay nitondra « moto ». Nakarin’izy ireo teo ambonin’ilay « moto “, ka noterena teo afovoany tamin’ny alalan’ny taingin-telo. Miverina indray izany ny fakana an-keriny. Vao ny takarivan’ny 24 mey teo ihany koa no nisy nisambotra teny Ampasampito akaikin’ny Gamo ny karana iray antsoina hoe Navage Veldjee. Izy ihany no nalainy fa navelany teo ny vadiny. Misy ifandraisany amin’ny politika indray ve izao zava-miseho izao ? Ny azo antoka aloha dia volabe no mihodina ao anatin’ny raharaha fakana an-keriny.


Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT