Fandriampahalemana

Hentitra sy masiaka ireo lehibe Hosaziana avy hatrany ny polisy jiolahy


  • Talata 09 Aprily 2019

«Hamafisina fa tsy natao ho fialokalofan’ny jiolahy sy ny mpanao ratsy ny asan’ny polisy». Io no tenin’ny Sekretera Jeneralin’ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka, ny CGP Herilanto Iangotiana

 

 

 

Rakotondravelo raha namaky teo anatrehan’ny mpanao gazety omaly tolakandro ny fanambaran’ny minisitera mpiahy mikasika ny korontana tany Maroantsetra ny faran’ny herinandro teo ka

nahafatesana olona roa sy naharatrana polisy iray ary nahakila forehitra trano roapolo mahery. Nandritra ny fampitam-baovao teo Anosy no nanasongadinany fa nosoloina polisy vaovao

avokoa ireo tany an-toerana. «Nandray avy hatrany ny fepetra fanesorana ireo rehetra miasa ao Maroantsetra ny minisitera ary nanolo azy ireo amina polisy vaovao. Io fepetra io dia tsy sazy akory fa fandaminana anatiny hitandrovana ny tsy hitaran’ny zava-nitranga», hoy hatrany ny fanambarana nosoniavin’ny minisitry ny filaminam-bahoaka, CGP Roger Rafanomezantsoa. Fanohizana ny

famerenana amin’ny laoniny ny fanajana ny fitsipika eo anivon’ny polisim-pirenena izany. Tsy mbola mijanona amin’izay ny famonoana afo fa ho valin’ny fepetra sy fampanantenan’ny vahoaka an-

toerana izay hampitony ny hatezerany dia tsy maintsy hitohy ny famotorana. Ny minisitra mpiandraikitra mihitsy no nangataka teo anatrehan’ireo mponina, hialana amin’ny kitranoantrano

mba ny fitsarana no hitarika ny fanadihadiana. Midika izany fa tsy nafindra toerana fotsiny ireo mpitandro filaminana voakasik’ity raharaha ity fa efa misokatra ny famotorana azy ireo. Mitaky

fahalalahana ho an’ny manampahefana hanatanteraka ny fanadihadiana ny minisitra. Maro mantsy no manahy amin’ny mety ho fisian’ny tsindry ka hahavery an-javony ny raharaha toy izao, noho ny endrika tsindry maro ka tsy handray ny saziny

ireo heverina fa jiolahy sy mpanao ratsy mialokaloka amin’ny asan’ny polisim-pirenena. Azo lazaina fa marefo ny rafitra fitandroana ny filaminana matoa resy tosiky ny herim-bahoaka hatrany izy ireo. Ireo

mponina nahavita heloka tahaka ny doro trano fonenana maro toy izao ihany koa mitaky lalàna matotra mahafehy azy ireo mba hitaran’ny toe-tsaina. Raha ny tantara no todihina dia efa misy

karazan’atidoha mitroka ny fandorana sy ny fanapotehana toy izao

hatramin’ny  fandorana ny lapan’ny tanàna fehizay izany.

 

Haja Nirina

 

Nampiaka-peo fa handray fepetra ireo lohandohan’ny mpisorona eo anivon’ny polisim-pirenena

manoloana ireo mihoa-pefy mialokaloka eo amin’ny asan’ny polisy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT