Tranga nampitaraina ny maro teto an-drenivohitra tato ho ato ny firongatr’ireo mpangarom-paosy any anaty taksibe.
Ankoatra ny finday lasan’izy ireo dia misy mihitsy ireo mamono sady mandroba toy ny nahazo ilay Ramatoa iray niala tetsy Andavamamba. Raha ny fanazavany, nilaza ho vadiny teo imason’ny olon-drehetra ilay Rangahy niara-nivoaka taminy tao anaty taksibe sady nisintona sy nandrirotra azy tany anelakela-trano. Mody niady taminy io kinanjo vao tafiditra tao amin’ilay elakela-trano izy ireo dia nalainy avy hatrany ny poketra ary lasa nitsoaka izy. Anisan’ny faritra mena amin’ny harom-paosy anaty taksibe Andavamamba, hoy ny mpitandro ny filaminana. Toraka izany koa ny eny Anosibe sy Analakely izay efa nandraisan’izy ireo fepetra manokana mihitsy. Ho an’Anosibe, izay hiandraiketan’ny kaomisarian’ny Boriborintany fahadimy etsy Mahamasina dia mpitandro ny filaminana efatra isan’andro tsy manao fanamiana no miandry ireo mpangarom-paosy. Telo isan’andro raha kely ireo mpangalatra tratran’izy ireo izay tena mbola misy ankizy tokoa. Fantatra fa efa feno mpangaraom-paosy ihany koa amin’izao ireo taksibe mihazo an’i Tsimbazaza sy Analamahitsy ka mila mitandrina ny rehetra. Efa mahalala azy ireny ireo mpamily sy ny mpanampiny saingy tsy sahy miteny satria matahotra ny ainy ihany koa. Misy amin’ireo mpangalatra mantsy no mivimbina antsy any anaty paosiny ka tsy menatra ny manindrona.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.