Fandriampahalemana

Halatra taova eto Madagasikara Mbola misy hatrany ireo tsimatimanota


  • Sabotsy 24 Novambra 2018

Omaly zoma 23 novambra no nampahafantatra tetsy amin’ny Hotely Telozoro Andrefan’Ambohijanahary ny fitoriana ny zandary Sefo Rejabo,

 

 

 Sefo Dimby ary Sefo Solofo avy ao amin’ny Borigady Tsiroanomandidy ny fokonolona any an-toerana. Raha tsiahivina dia nisy ny fisamborana an’i Soja Safirisoa izay mipetraka tao Ambohimiarina Ankerana Avaratra ao amin’ny kaominina Tsiroanomandidy ihany tamin’ny 13 oktobra lasa teo. Nosamborin’ireo zandary voalaza anarana tetsy ambony ity farany rehefa niomana hijery baolina tao an-tranony tamin’ny 1 ora teo ho eo.  Nolazaina fa hatao famotorana any amin’ny Brigady ka rehefa hanatitra sakafo ny vadiny dia nambara fa mbola lasa nitsangantsangana izy. Ny 15 oktobra dia tonga indray ny fianakaviana hanatitra hanina kanefa nilaza indray ny ao amin’ny Brigade fa nalain’ny miaramila any Belobaka i Soja. Akory anefa ny hatairan’ny fianakaviana satria nolazaina fa maty ny zanak’izy ireo ary any Ambaravaranala ny fatiny. Rehefa nojerena ny razana dia tsy tao intsony ny atidohany, ny masony an-kavanana ary ny ilan’ny taolan-tanany an-kavanana. Nanambara ny fianakaviana sy ny fokonolona fa tsy mpangalatra i Soja fa novonoina hanaovana halatra taova fotsiny. Noho izany dia miantso ny manampahefana isan’ambaratonga izy ireo hampanao famatorana hentitra manoloana ity raharaha famonoana sy fangalarana taovan’olona ity.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT