Fandriampahalemana

Halatra taolam-paty-Talatavolonondry Razana 231 tsy hita popoka


  • Alatsinainy 15 Aprily 2019

Iraika amby telopolo sy roan-jato no isan’ny razana tao amin’ireo fasana roa nifanakaiky lasan’ireo mpangalatra taolam-paty, na dia tsy fomba aza ny manisa maty amin’ny Malagasy.

 

 

 

 

Ny sabotsy maraina teo no tsikaritra babangoana ireo toerana roa ireo. Araka ny tafa manokana nifanaovan’ny mpanao gazetinay tamin’ny zandary any an-toerana, fasana lavitry ny lalana sady any an-tampon-tendrombohitr’i Morarano ireto fasana roa vaky ireto. Raha ny fampitam-baovaon’ny mpitandro ny filaminana amin’iny faritra Talatavolonondry iny hatrany izay nanao ny fitsirihina,

heverina efa vanim-potoana ela no nahavaky azy ireo. Fasana efa hatrany amin’ny razambe amin’ny taranaka maro izy ireo ka izao nahaverezana razana marobe izao. Saropady amin’ny Malagasy ny razana izay nahazoana ny aina sy ny lova, indrindra ny tanindrazana raha ny toe-tsaina sy ny filôzôfia Malagasy. Voazimbazimba tanteraka ireo razana, noho izany. Matoa izy ireo fonosim-damba, apetraka anaty fasandrazana izay vita amin’ny vato, tsy tiany ho raraka an-tany. Noho ny fifikiran’ny tatsinanana amin’ny valin’asa, tsy very maina fa mahakizo fara ny manivativa razana toy izao. Heverin’ny maro fa tafiditra ao anatin’ny tambajotran’ny ratsy izao famotehana kolontsaina Malagasy izao. Misy ireo mihevitra fa ampiasain’ireo olon-dratsy mankahery ny odiny ny taolam-paty

izay very etsy sy eroa tahaka izao.

 

Haja Nirina

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT