Fandriampahalemana

Halatra “panneau solaire” tao Toamasina Tratra ireo tsivalahara miandahy miambavy


  • Zoma 12 Aogositra 2022

Misy tambazotra mihitsy ireo mpangalatra jiro manazava ny lalambe eto amintsika. Olona iray no tratra tao Toamasina ny 9 Aogositra alina lasa teo.

Nanoro ireo namany maro ilay tratra rehefa nohadihadiana. Nidina ifotony ny zandary nanao sava hao ny tranon'ireo voalaza fa mpiray tsikombakomba ka hita tao tokoa ny tahon'ireo jiro izay avy nangalarina. Vokatry ny asan'ny fokonolona nanao andrimaso moa no nahafahana nisambotra io mpangalatra io. Hatolotra eny anivon'ny fampanoavana ny raharaha aorian'ny fahavitan’ny fanadihadiana. Efatra mianadahy moa izy ireo no voakasik’ity halatra jiro ity raha araka ny loharanom-baovao azo. Ho an’ny tananan’i Toamasina manokana dia fantatra fa miezaka mametraka ny jiro an-dalambe ao an-tampon-tanana ny kaominina amin’izao hahafahana miady amin’ny tsy fandriampahalemana. Efa maro mantsy ireo mpanao vakansy tonga any an-toerana amin’izao.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireo mpangalatra jiro tratra tao Toamasina !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT