Nanamafy indray ny lehiben’ny etamazaoro jeneralin’ny tafika Malagasy (Cemgam) ny jeneraly Rakotonirina Theophile fa tena mila foanana ny dahalo ambony latabatra fa ireo no tena mahatonga ny ady amin’ny asan-dahalo ho sarotra amin’izao fotoana.
Efa tena mamono tena ny miaramila manenjika sy miady amin’ny dahalo, hoy izy saingy mba ahoana kosa ireo dahalo ambony latabatra ? Nahitsy ny Cemgam nizara tamin’ny mpanao gazety fa tena mahara-baovao ny dahalo ary mahafantatra mialoha ny paikadin’ny mpitandro ny filaminana. Mihantsy ny miaramila ihany koa izy ireo. Antsoina moa izahay dia tonga ary vonona ny hiady, hoy izy ary hita any anaty ady fa efa niomana na ara-pitaovana na ara-paikady ireo dahalo. Nambaran’ny Cemgam jeneraly Rakotonirina Theophile fa mikarama 50 000 ariary isaky ny fanafihana iray ataony ny dahalo iray. Mbola manana fitaovam-piadiana sy bala izy manampy izany, hoy ny fanazavany. Fantatra ihany koa fa efa niverina ho dahalo mangalatra omby sy mandroba fananan’olona amin’izao fotoana ireo nambara fa dahalo niova fo 4 taona lasa izay.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.