Ny 13 janoary 2018 lasa teo, tovolahy iray 22 taona no voasambotry ny Polisin’ny SUT teny Itaosy noho ny resaka halatra finday.
Ny 16 novambra 2018 dia nametraka fitoriana teny amin’ny Polisin’ny SUT Tsaralalàna ny tompon’ny Box 25 ao amin’ny CITIC Behoririka fa nisy nangalatra ny finday miisa 08 izay mitentina 10,4 tapitrisa Ariary. Rehefa natao ny fanadihadiana sy ny fikarohana rehetra dia fantatra fa teny 67 Ha ny toerana nisy ny finday iray. Nidina ifotony avy hatrany ireo tompon’andraikitra ka lehilahy iray no tratra tao amin’ilay tokantrano voatondro. Mbola tratra tao aminy ihany koa ny finday roa izay very ny 16 novambra 2018. Taorian’ny fisamborana ity lehilahy ity izay nampiasa ireto finday dia fantatra fa avy amin’ny zanany lahy ireo zavatra nampiasainy ireo. Voatery nanao ny vela-pandrika indray ny polisy ka voasambotra teny Itaosy ny zanany izay nangalatra ireto finday ireto. Taorian’ny famotorana natao taminy no nahafantarana fa ny 16 novambra 2018 tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany maraina no niditra tao amin’ny CITIC ilay mpangalatra. Tsikariny fa tsy nisy olona mihitsy anatin’ilay Box 25 ary teo no nezahany nisikotra sy nanapitsoka ny varavarana fitaratra ka nahazoany ireo finday maromaro toy ny Samsung S4, Huawei, Alcatel. Rehefa azony ireo finday ireo dia lasa izy nandeha teny Faravohitra ary namidiny tamin’ny mpandalo fito alina ariary ny finday Alcatel iray raha nentiny nody kosa ny finday ambiny. Nozarainy tamin’ny fianakaviany tao an-trano ny finday sasany ary nokasainy hamidy ny ambiny. Efa in-telo nigadra ity tovolahy ity. Resaka fifohana rongony sy halatra no nidirany am-ponja izay vao nivoaka ny taona 2018 lasa teo ka izao voasambotra izao indray. Manentana ny olona rehetra ny avy eo anivon’ny SUT mba ho mailo hatrany amin’ny fividianana finday raitra ary tsy tokony hanjifa izany fa maro ny finday halatra izay miparitaka etsy sy eroa ka tokony ho mailo hatrany.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.