Fandriampahalemana

Halatra fiara teny amin’ny 67 ha Nampatoriana tamina zava-pisotro ilay mpamily


  • Alakamisy 21 Janoary 2021

Nitrangana halatra mazda iray teny amin’ny 67 ha atsimo ny 10 janoary lasa teo.

 

 

 

Mpamily sy ny mpanampy azy handeha hanao spécial no lasibatra tamin’izany. Raha tsiahivina kely ny tantara dia nisy niantso mba hitondra mpivavaka ho eny Imerintsiatosika izy roalahy ireto. Rehefa tonga anefa ny fotoana tokony handehanana dia nilaza ireo mpanofa fa mbola haka mpivavaka tetsy amin’ny fiangonana iray etsy amin’ny 67 ha. Rehefa tonga teo amin’ny “parking” anefa ilay mazda dia nomen’ireo nilaza hanofa zava-pisotro hanalana hetaheta ilay mpamily sy ny mpanampy azy mandrapaha. Somary nafana rahateo ny andro tamin’io fotoana io. Taorian’izay dia samy tsy nisy nahatsiaro tena izy roalahy no sady toy ireny olona adala very saina ireny. Nanjavona avy hatrany ilay mazda taorian’izany. Efa nentina nokarakarainy moa izy roalahy ireo ka rehefa samy nanontaniana dia nitovy avokoa ny zavatra nolazainy. Tsiahivina moa fa mbola eo am-pikarohana ity mazda very ity ny tompon’andraikitra amin’izao fotoana izao.

Nangonin’i Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT