Nody ventiny ny rano natsakaina tamin’ny alalan’ny hetsika manokana notanterahana tamin’ity volana ity, hoy ireo tompon’andraikitra avy ao amin’ny polisim-pirenena raha nitafa tamin’ny mpanao gazety teny Anosy omaly zoma 27 jolay.
Mpaka an-keriny miisa 10 niampy jiolahy mpamaky trano 23 no voasambotra tao anatin’ny herinandro, ka ny 11 amin’ireo dia efa any am-ponja. Olon-dratsy miisa 836 kosa no nosamborina teto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina hatramin’ny omaly 27 jolay. Ao anatin’ireo ny mpangalatra, mpanendaka, mpangarom-paosy, mpiloka eny an-dalambe ary mpifoka rongony miisa 44. Nisy jiolahy 2 lavon’ny balan’ny mpitandro ny filaminana, araka ny tatitra omaly ihany. Natao izao hetsika izao mba hiarovana ny olona sy ny fananany sy efa fametrahana ihany koa ny filaminana sy fitoniana mialoha sy mandritra ny fifidianana.Tsy vitan’ny fisamborana olon-dratsy fotsiny ihany no natao fa nisy koa ireo fitaovam-piadiana tratra toy ny basy poleta, ny basim-borona sy bala ary fitaovana hafa. Anisan’ny tena niasa mafy nandritra ny “Operation” natao raha araka ny tatitra ihany ny polisy avy ao amin’ny USI (Unité Spéciale d’Intervention) na ny saka mainty. Tsy mifarana eo ny hetsika ataon’ny polisim-pirenena fa mbola hitohy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.