Ny sabotsy 04 mey 2019 tokony ho tamin’ny 8 ora sasany alina dia renim-pianakaviana iray, 32 taona, monina eny amin’ny faritra 67Ha
afovoany andrefana, no tonga nametraka fitoriana teo anivon’ny sampandraharahan’ny polisim-pirenena misahana ny ady heloka bevava (BC) noho ny fahavakisan’ny tranony. Ny mpiasa an-tranony ihany no ahiahiany ho nanao izany noho izy ireo tsy hita popoka taorian’ny vaky trano. Very tamin’izany ny entana rehetra tao an-tranony izay mitentina 13.200.000 Ar. Natomboka avy hatrany ny fikarohana ka tamin’ny talata 07 mey teo dia fantatra fa eny amin’ny faritra Ankorondrano no misy an’ireo olona ahiahiana ho namaky ilay trano. Nidina teny an-toerana ny polisy ka voasambotra ilay mpanampy, izay vao 19 taona monja, niaraka tamin’ilay sakaizany niray tsikombakomba taminy. Tratra tao amin’ilay trano ihany koa ireo entana maro nangalarin’izy ireo, niaraka tamina CIN hosoka, fitomboka hosoka ary antontan-taratasy maromaro hoentin’izy ireo manao ny asa ratsiny. Naiditra am-ponja vonjimaika izy roa. Ireo entana rehetra kosa moa dia efa voaverina amin’ny tompony avokoa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.