Fandriampahalemana

Halatra bateria amin’ny andrin-jiro Lehilahy iray voasambotra teny amin’ny faritr’i Masay


  • Zoma 25 Janoary 2019

Taorian’ny fangalarana bateriana andrin-jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro misesisesy teto an-drenivohitra ny volana desambra lasa teo dia lehilahy iray no saron’ny polisim-pirenena teny amin’ny faritr’i Masay.

 

 

 

 

 

Manodidina ny 36 taona eo ho eo izy io tratra tamin’ny 11 ora sy sasany alina, nandritra ny fisafoana tampoka nataon’ny polisy. Raha araka ny fantatra dia niafina tsy lavitr’ilay andrin-jiro saika nangalarany ity lehilahy iray ity. Tsikaritr’ireo polisy anefa izany ka nanatona avy hatrany izy ireo mba hanadihady mikasika azy. Raha nahita ireto polisy nanatona azy anefa ity lehilahy ity dia nikasa handositra saingy voasambotra avy hatrany. Rehefa nosavaina ny teny aminy dia nahitana fitaovana maromaro toy ny baramina sy “tourne-vice”. Tsy nahitana kara-panondro kosa anefa  tany aminy. Nentina avy hatrany teo anivon’ny kaomisarian’ny Boriborintany fahenina ity lehilahy ity  mba hanaovana fanadihadiana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT