Fandriampahalemana

Halatra anaty fiara Nabaribarin’ny « caméra de surveillance » ireo jiolahy


  • Talata 10 Mey 2022

Lehilahy miisa roa no voasambotry ny Polisy teny Andranomanalina sy Tsimbazaza ny 05 sy 06 mey lasa teo rehefa nangalatra tao anaty fiara tetsy Andranomena ny 04 mey.

Ramatoa iray no lasibatra tamin’izany rehefa nivoaka rehefa nivoaka ny fiarany ka niditra tao amina tranom-barotra iray tetsy Andranomena. Nandritra izany indrindra no nanararaotana lehilahy telo nidirana ary nandrobana a ny fiaran’ity farany izay nahaverezana poketra nisy vola sy firavaka ary taratasy maro. Tsikaritra avy hatrany ny fahaverezana rehefa niverina tanaty fiara ilay ramatoa. Nandray ny andraikiny ny tompon’ny tranom-barotra ka nojerena ny raki-tsary voatahirin’ny « caméra de surveillance » ary hita tao avokoa ireo telo lahy mpangalatra, ity farany izay nampandre ny polisy avy hatrany, no sady nanaparitaka ny vidéo tao anaty tambazotra. Taorian’ny fitarainana nataon’ilay ramatoa voaroba dia voasambotra teny Andranomanalina ny 05 mey ny iray tamin’ireo olon-dratsy ary tetsy tsimbazaza kosa no tratra ny iray ary mbola eo am-pikarohana ny iray farany ny Polisy. Nandritra ny fanadihadiana dia fantatra fa efa fanaon’izy ireo ny mangalatra anaty fiara toy izao ary efa nisy horonan-tsary nahitana azy ireo ny taona 2021 lasa teo. Niaiky ny heloka vitany ireto roa lahy ireto ary efa naiditra am-ponja vonjimaika.
Nangonin’i Pati
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT