Fandriampahalemana

HALA-JAZA TAO TAO TOLIARA Vehivavy roa no tompon’antoka


  • Alakamisy 12 Janoary 2023

Niasa andro aman’alina afak’omaly alina ireo mpitandro ny filaminana ao Toliara nitady ilay zaza menavava very tao amina klinika iray tao Toliara.

Hita soa amantsara tao amin'ny tokantrano iray tao Ankilimarovahatse ilay zazamena vava nangalarina araka izany tamin’io afak’omaly alina io ihany, tokony ho tamin’ny 02 ora maraina. Vehivavy iray no hita niaraka tamin'ilay zaza ary rehefa nojeren'ny mpitsabo ny vatany dia fantatra fa tsy olona avy niteraka ity vehivavy ity. Nakana psikatra ihany koa ilay vehivavy sao marary saina saingy salama saina tsara ihany koa. Nosamborina avy hatrany ity farany . Feno hafaliana kosa ilay renin-jaza rehefa hitany sy naverina taminy ilay zanany.Notanana ihany koa ilay mpampivelona tao amin'ilay toeram-pitsaboana izay niray tsikombakomba tamin'ity vehivavy ity nahafahana namoaka ilay zaza tao amin'ny toeram-pitsaboana. Niaiky rahateo ny tompon’andraikitr’ilay kilika fa nisy ny tandreaka tao amin’izy ireo. Efa noraisin’ny Fitsarana moa ity raharaha ity. Raha araka ny tombatomban’ny maro moa dia mety tsy miteraka ity vehivavy iray tratra niaraka tamin’ilay zaza ka nitady hevitra mba hahazoany zaza ary izao nangalatra ny an’ny hafa izao. Tsiahivina fa nahandro sakafo nanoloana ilay klinika ny fianakavian’ilay zaza very ary tsy niala teo mihitsy raha tsy hita ilay zaza.
Nangonin’i Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT