Tsy misy izay tsy mitaraina manoloana ny tsy fandriampahalemana misy eto Madagasikara amin`izao fotoana izao. Rafitra maro no manana andraikitra amin`izany fa anisan`ny tena olana dia ny olona, hoy Gerard Noel Ramamimampionona,
filoha lefitry ny komitin`ny Fampihavanam-pirenena (CFM), avy amin`ny faritany Antananarivo. Loharanon`ny tsy fandriampahalemana ny olona ka any no mikorontana voalohany vokatry ny fahantrana, ny ady, fisaraham-bady… ka miteraka tsy fandriampahalemana eo amin`ny olona anankiray. Mila jerena ny fanabeazana, ara-toekarena, indrindra ny asa. Mamokatra ve ny olona ? Miasa tsara ve ny olona? Voky tsara ve ny olona ? Notsipihiny fa tsy mialona ny olona rehefa misy soatoavina ary rehefa tafapetraka tsara avokoa izany dia manam-panahy ny rehetra. Nilaza izy fa raha hampajaka ny marina sy fahamarinana, ny madio sy hiady amin`ny halatra sy ny kolikoly amin`ny resaka tsy fandriampahalemana, iadiana mafy ny fanaovana ny tsy fandriampahalemana ho fitaovana ara-politika, hanakorontanana, tsy hisian`ny fitoniana sy filaminana mba hahafahan`izay eo amin`ny toerana hiasa tsara. Ny fampiharana ny lalàna, ny sazy… miteraka tsy fandriampahalemana vaovao raha ny zava-misy amin`izao anefa. Miteraka kolikoly, manao valifaty… ny sasany. Ny fampiasana ny lalàna dia tokony ho marina ny rehetra mampiasa azy. Ohatra, ny mpitandro filaminana ihany koa dia tokony manaraka ny sata mifehy azy. Mialoha ny handaminana ny rafitra sy andraikitra ao anatin`ny rafitra dia ny olona mihitsy no beazina, hoy Gerard Ramamimampionina. Ny olona amin`izao ihany koa dia tsy mahatoky fitsarana ka mila fahamatorana sy fahasahiana raha tiana no hamerina ny hasin`ny fitsarana. Ny tomponandrikitra mihitsy no tokony manana fahasahiana managadra mpitsara… Mila mametraka lamina afahana mitory mpitsara, na olona ambony. Raha ny lehibe no manao ny ataony, ho sarotra ny hanadio ny olona ao ambany hoy hatrany ity mpandinika fiarahamonina ity. Mila sahy mijoro daholo sy mandray ny andraikiny, hoy hatrany ny fanazavana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.