Fandriampahalemana

Fonjaben’i Morondava Voasambotra ireo gadra 7 saika handositra


  • Alatsinainy 17 Janoary 2022

Nafampana ny toe-draharaha tao Morondava ny sabotsy teo. Gadra 7 lahy no nikasa hitsoaka ny fonja ny androtr’io sabotsy 15 janoary teo tokoany 10 ora sy 45 minitra atoandro.

 Namoaka fampitam-baovao avy hatrany ny Talem-paritry ny Fandraharahana ny Fonja (DRAP) ao Menabe, ary manamafy izany ny Tale misahana ny Fandriam-pahaleman'ireo Fonja (DESEP), fa nanararaotra ny fotoana fampidirana ny sakafo izy 7 lahy voafonja, ka saika hanao amboletra ny vavahady. Ny 4 avy hatrany dia voafehy teo an-tokontany ihany. Ireo 3 lahy tafahoatra ny tamboho kosa dia voasambotra teo ivelan'ny Fonja ihany, rehefa avy nanao tifi-danitra ireo mpiambina ny Fonja. Efa milamina ny toe-draharaha any an-toerana, ary nohamafisina ny fiambenana ny Fonja. Tsy misy ny Fonja vaky. Tsy vao izao no nisiana korontana sy fikasana hitsoaka ny fonja teto Madagasikara, ka ny isan’ny goavana indrindra dia ilay tao Farafangana ny aogositra 2020, ka nisiana gadra efa ho 20 mahery nikasa handositra no maty voatifitry ny mpiambina tamin’izany. Mety hisy lanjany na dikany na fambara ara-politika ihany koa ny resaka fahavakisana na fikasana handositra ny fonja tahaka izao.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT