Fandriampahalemana

Fonjaben’I Mananjary Gadra miisa 6 tafaporitsaka


  • Alarobia 02 Aogositra 2023

Mandry tsy lavo loha ireo mponina any amin’ny distrikan’i Mananjary. Raha araka ny loharanom-baovao voaray avy

any an-toerana mantsy dia vaky omaly tamin’ny 03 ora maraina ny fonjabe ao an-toerana ka gadra miisa 6 hatramin’ny fotoana nanoratanay omaly hariva no mbola tsy hita. Efa tratra kosa ireo namany hafa izay marihina fa tsy lasa lavitra dia voasambotra. Raha araka ny vaovao azo hatrany dia ny iray amin’ireo enin-dahy ireo no mbola tsy voatsara fa ny ankoatra izay dia efa voaheloka avokoa. Notapahan’izy ireo moa ny fefy na « grille de protection » -n’ny varavaran-kely . Nidina tamin’ny lamba firakotra izy ireo taorian’izany ary dia tafavoaka soa amantsara. Na izany aza dia anisan’ny mbola manitikitika ny sain’ny maro kosa ny tsy nandrenesan’ny mpiambina azy ireo. Ireto izy enin-dahy ireo dia Andriamahasolo Seraphin,Randriamanantena Felistin, Randriatahina Tanicia, Bienvenu, Rakotonandrasana Fulgence Ndrasana ary i Theophile. Efa mandeha moa ny hazalambo amin’ny fitadiavana azy ireo ary nampitandrina ny mpitandro ny filaminana any an-toerana fa izay rehetra tratra manafina na mampiantrano azy ireny dia hohampiharina aminy ny lalana. Mikasika ny fonjaben’i Mananjary manokana dia tsiahivina fa efa nisy ny fitarainana nataon’olona ary vonona ny hijoro vavolombelona fa tsy voahaja ny zon'olombelona ao amin'ity fonjabe iray ity. Kolikoly,fanodinkodinana fanampiana ary tsy fanajana ny zo maha-olona no misy ao hoy ny vaovao ary efa nanairan’ny mponina ny Fitondrana foibe izany saingy tsy nisy fandraisana andraikitra hatreto.
Nangonin’i Pati
Legende : Vaky ny fonjaben’i Manakara !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT