Efa tsy voahaja intsony ny fitsipi-pifehezana ao amin’ny foloalindahy, raha tarafina amin’ny zava-misy amin’izao fotoana.
Misy ny fitaovam-piadiana miparitaka etsy sy eroa nefa tsy amidy eny an-tsena fa na mivoaka amin’ny toby miaramila na tafika. Toa efa lasa jiolahy ny miaramila sasany ankehitriny. Mihetsika ny zandrinjandriny mitady vola satria mahita koa izy fa manao afera ary mahazo vola be ireo bekintana lehibeny. Vao ny herinandro lasa teo, ohatra, ny nivoahan’ilay vaovao momba ny miaramila avy amina toby lehibe iray eto an-drenivohitra maty voatifitry ny mpitandro ny filaminana hafa rehefa avy nanao asan-jiolahy. Izy samy izy ireo no toa mifanenjika sy mifandoto. Dia matetika no ahitana ny an-daniny manadio tena rehefa misy ny an-kilany voatonontonona. Niaraha-naheno ihany koa, ohatra, ny fitsanganan’ny fikambanana iray avy any amin’ny Faritra Atsimo tarihina mpitandro ny filaminana, saingy nanakiana ny afitsoky ny mpitandro filaminana tsy mitovy sokajy aminy. Raha polisy, ohatra, iray, dia zandary ny hafa. Toe-javatra mila jerena sy alamina ireny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.