Tena miaina ao anatin`ny krizy lalina hatrany ny firenena Malagasy satria mitohy hatrany ny tsy filaminana sy ny savorovoro politika amin`izao fotoana izao. Tsy milamina intsony ny tany kanefa toa mangina ny Foloalindahy.
Misarika ny sain` ny rehetra tokoa ireo manamboninahitra be galona vao avy nahazo fampiakarana voninahitra. Nametrahana ny fitokisana ny Foloalindahy hiaro ny lalàna mankany amin`ny fampandrosoana. Marina fa manatanteraka baiko ny mpitandro filaminana kanefa amin`izao toe-draharaham-pirenena izao dia ny fitandroana ny tsy hampivakivaky ny samy Foloalindahy ka hanamafisana ny firaisankina no tokony imasoana. Hatramin`ny rahoaviana no hanaiky hanosorana fotaka noho ny fitondrana tsy mahomby? Tsy kisendrasendra velively noho izany no nahazoan’ izy ireo ny galonany sy ny sainam-pirenena. Tsy mahatsapa ny fahoriam-bahoaka angamba ry ``be baoty`` kanefa toa miaro ny mpitondra fotsiny ary voalaza isan`andro izao fa lasa herim-pamoretana sady fahavalom-pirenena. Kanefa dia efa mitondro mena ny tsy fandriampahalemana misy eto amin’ny firenena ankehitriny ny Malagasy. Efa manao izay ho afany ny polisim-pirenena sy ny zandarimariam-pirenena amin`ny ady amin`ny tsy fandriam-pahalemana, kolikoly, sns… Aiza ho aiza ny an`ny miaramila? Mitombo isan`andro ny faritra mena manerana ny Nosy. Tsy dia ahitam-bokatra fa dia toa resy tosiky ny dahalo ny mpitandro filaminana noho tsy fananana paikady matotra na variana amin’ny zavatra hafa ny ao ambony. Raha mikorontana anefa ny tany dia izy ireo no tandroka aron’ny vozona. Sa ve hiandry fanongam-panjakana indray vao mba hiaro ny vaohoaka sy ny fananany? Leo tanteraka raMalagasy amin`ny tsy fahaiza-mitantanana ny raharaham-pirenena. Tsy tokony avela mamela malalaka ny mpitondra fanjakana hanao izay tiana ary tokony mba hijery ny tombontsoa ambonin `ny firenena fa tsy ho variana amin ny adilahy politika ny Miaramila. Aiza ny tarigetran`ny Foloalindahy hoe ``Miaro ny vahoaka sy ny fananany, miaro ny Tanindrazana ho an`ny Tanindrazana``. Tsy milamina arak’izany ny tany, betsaka ireo zava-manahirana sy zava-miseho mifamahofaho be niany. Mitohy hatrany ny fianam-pirenena, mitohy hatrany ny fiainan-dRamalagasy sahirana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.