Fandriampahalemana

Fivarotana sy fifohana héroïne Lehilahy roa no tratra teny 67 ha


  • Talata 31 Janoary 2023

Lehilahy miisa roa, 25 taona sy 27 taona no saron’ny Polisy misahana ny ady amin'ny zava-mahadomelina etsy Anosy ny zoma 27 janoary sy sabotsy 28 janoary teo teny 67Ha rehefa nivarotra sy nifoka heroine.

Nidina avy hatrany teny an-toerana moa ny polisy nanao ny fanadihadiana sy fikarohana taorian’ny nahafantarany fa misy olona mivarotra zava-mahadomelina mahery vaika eny an-toerana. Lehilahy iray no voasambotra ny zoma 27 janoary teo tokony tamin'ny 2 ora sasany atoandro tetsy amin’ny 67ha akaikin'ny Havana. Rehefa nosavaina izy dia nahatratrarana cocotte Héroïne iray izay milanja 0.30g. Noentina nanaovana fanadihadiana avy hatrany ity lehilahy ity. Fantatra fa mpifoka Hhéroïne izy ary efa tamin'ny volana Aogositra taona 2022 izy no nifoka izany. Milaza izy fa in-droa isan'andro no mifoka ity rongony mahery vaika ity ka ao anatin'ny telo andro no hifohany ilay héroïne milanja 0,30g. Lehilahy iray hafa kosa no voasambotry ny Polisy ny sabotsy 28 janoary 2023 tokony tamin'ny 10 ora latsaka fahaefany maraina teny amin’ny 67ha ihany. Fantatra fa mpivarotra Héroïne ity lehilahy ity. Mbola nahatratrarana héroïne 1g teny aminy. Tamin'ny fanadihadiana azy dia niaiky ny helony izy. Fantatra fa tsy izy no tena tompon'ireo héroïne hamidiny fa iraka fotsiny izy. 40.000ar isan'andro no karamany mijerijery ireo Polisy misambotra mpivarotra rongony sy manatitra ireo rongony mahery vaika any amin'ireo mpividy. Efa tamin'ny volana novambra 2022 no nanaovany izao asa ratsiny izao. Ary eny Isotry no fakany ireo héroïne hamidy ireo. Fantatra ihany koa fa tamin'ny fanadihadiana azy dia nandainga ny momba momba azy izy ka fantatry ny Polisy mpanao famotorana ihany ny tena mahakasika azy. Natolotra ny fampanoavana omaly izy roalahy ireto ka samy naiditra am-ponja vonjimaika.
Pati
Legende : Ireto izy roalahy tratra
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT