Fandriampahalemana

Fitsaram-bahoaka tany Tsaratanana 100 lahy nanafika tobin’ny zandary


  • Sabotsy 25 Novambra 2017

Tovovavy iray 18 taona antsoina hoe Soanarivo monina ao Ambodivala, fokontany Manakana, kaominina Tsaratanàna no nisy namono ny alahady 19 novambra lasa teo.

 

Nivoaka ny trano nandeha nanondraka anana izy, saingy tsy niverina. Taitra ny ray aman-dreniny ka narahina tany an-tanimboly. Ny vatana mangatsiakany efa voafira antsy teo amin’ny lohany ary natao tao anaty rano no novantanina. Nandeha teny an-toerana ny zandary sy ny dokotera nijery ny zava-nisy. Zanak’olona avy any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana izy ity. Naneho ny hatezerany ireo mpiray fiaviana aminy. Raikitra ny famotorana, ary nisy olona nahiahian’ny fianakaviana nahavanona ny loza, ka nampandre ny mpitandro ny filaminana izy ireo. Lasa  nandositra efa tany anaty taksibrosy tany Morarano io olona io. Nantsoina ny zandary tany hisakana sy hisambotra azy, ka naverina tany Tsaratanàna, araka ny fanazavan’ny komanda Tsaratiana Edgard Honoré, Lehiben’ny zandary any an-toerana.

100 lahy

Nandeha tao anatin’ny 2 andro ny famotorana. Ny alakamisy 23 novambra tokony ho tamin’ny 2 ora tolakandro anefa dia tonga ny tovolahy maromaro niaraka tamin’ny antsy sy sabatra, langilangy, nitaky ny hamoahana azy. Tsy nanaiky ny mpitandro ny filaminana, saingy tsy resy lahatra izy ireo. Nambarany fa tsy ny zandarimaria no tsy atokisany fa sao votsotra rehefa tonga any amin’ny tribonaly. Tamin’ny 5 ora sy sasany hariva vao vita ny fivoriana, ary resy lahatra ireo ray aman-dreny fa aleo hanao ny asany ny mpitandro ny filaminana. Niarahana tamin’ny OMC, nahitana ny distrika, polisy sy ny zandary ary ny fitsarana  ny fifampidinihana. Omaly zoma tamin’ny 8 ora maraina anefa dia dia tonga indray ireo tovolahy manodidina ny 100 mahery ireo niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana toy ny langilangy sy famaky hamaky ny “cellule” tao amin’ny zandarimariam-pirenena itazonana ilay tovolahy voarohirohy. Nandeha ny fifandresen-dahatra, saingy raikitra ihany ny sakoroka, ka voatery nanaparitaka azy ireo tamin’ny alalan’ny tifi-danitra ny zandary. Tsy nihemotra ireo zatovolahy, nandeha hatrany ny tifi-danitra sy ny fifanjevoana. Nandritra izany no nahatifirana tsy nahy ny tongotry ny lehilahy iray, izay voa teo amin’ny kibon-dranjony, saingy tsy ahiana ny ainy, ary efa nahazo fitsaboana. Voatery noravana ny sekoly rehetra tany an-toerana. Nilamindamina ny raharaha taorian’izay.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT