Mamparikoditra sy maharikoriko ny olona manana fo mitempo sy manome hasina ny aina ny zava-nitranga tany Antsohihy niely tamin’ny tambajotran-tserasera ny talata teo. Tsy vitan’ny mirongatra fotsiny intsony ny fitsaram-bahoaka fa efa tena miha “mankafy” izany ireo mponina.
Lehilahy iray no tratra nangalatra omby iray ka avy hatrany dia nentina teny afovoan-tanàna. Naboridana dia avy eo nokapohana in-droa ny lohany ary nokapakapaina ny vatany rehefa lavo. Ny sasany tsy taitra akory maka sary ny zava-nitranga. Toy ny mandahatra ilay fitsaram-bahoaka amin’ny fomban-drazana tahaka ny Joro sy ireny sorona ireny. Raha mamerina ny tantaran’i Afrika dia toy izao mihitsy no niatombohan’ireo ady an-trano marobe taty amin’ny tany frankofaonina indrindra indrindra. Volena sy iniana tsy fongorina eto mihitsy ve ny fitsaram-bahoaka ahatafiditra antsika ho ao anatin’ny vela-pandrik’ireo vahiny ihany koa ? Raha tsiahivina, nanomboka ny taona 1953 no ho nankaty dia voarakitra fa niisa 89 ireo fanonganam-panjakana taty afrika, 22 ireo mpitondra maty nisy namono ary 75 ireo fifanafihana ara-tafika namono afrikanina an-tapitrisa. Mandindona ady an-trano toy izany ihany koa ny zava-misy eto amintsika ankehitriny.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.