Tsy nananan’ny olona tao amin’ny tanànan’i Fieranana Atsinananana, any Ambanivohitr’Amboasary Gara hantra ireo lehilahy roa voalaza fa dahalo tratran’izy ireo.
Efa leon’ny asan-dahalo sy ny tsy fandriampahalemana efa ho lava izy ireo, ka ireto 2 sendra tratrany no nanamparany ny hatezerany sy ny alahelony satria dia nodorana velona teo imasom-bahoaka afak’omaly. Nijalijaly avokoa ary na niezaka ny niarina sy handositra tao anatin’ny fandorana aza, dia tsy afa-nitsoaka intsony satria efa nataon’ny olona tsara ambina sy tratry ny be noho vitsy, ka dia ny ainy no nanefa. Tsy vao izao ity resaka fitsaram-bahoaka sy fandorana velona ity, fa efa fahita matetika ary tena nalaza nanomboka ny taona 2016, izay isan’ny nisongadina ny nandoran’ny olona velona ny vehivavy iray voatondro ho nametaveta doany tany Sonierana Ivongo ny volana oktobra tamin’io taona voalaza io. Vao ny fiandohan’ny volana aprily teo ihany koa, dia dahalo miisa 7 tamin’ireo manodidina ny 60 nanafika tanàna no lavon’ny zandary sy ny tao amin’ny amin’ny kaominina Ankafina-Tsarafidy, any Ambohimahasoa Fianarantsoa, ka notaperin’ny olona ny ainy, ary nodorana avokoa ny vatany vokatr’izay hatezeram-bahoaka izay. Ampahany ihany ireny, fa ny azo hamintinana dia tena nirongatra sy toa tsy ahitam-bahaolana hatrany ny fitsaram-pahoaka satria raha tsiahivina, dia 64 ny trangana fitsaram-bahoaka, ka 6 no voasakana tamin’izany ho an’ny taona 207. 68 no maty, ka mpitandro ny filaminana 3. Olona 38 kosa voasambotra tao anatin’izany. Asa indray izay ho antontan’isa eo amin’ity taona ity!
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.