Fandriampahalemana

Fitsaram-bahoaka eto Madagasikara Mankasitraka ny Malagasy 4 amin’ny 10


  • Zoma 01 Jona 2018

Olona miisa 1200 tamina toerana maro samihafa teto Madagasikara no nanaovan’ny Afro baromètre fanadihadiana hahafahana mamoaka antontan’isa momba ny toe-javatra samihafa eto Madagasikara, toy ny resaka fanabeazana, fitsaram-bahoaka.

 Fanontaniana miisa 100  no nitondrana ny fanadihadiana. Raha ny fitsaram-bahoaka, dia ny ampahefatry ny Malagasy no namaly fa efa nisy io teo amin’ny toerana nisy azy na ny manodidina azy. Any amin’ny Faritra Melaky, ny 57% amin’ny olona nohadihadiana dia efa misy sy mampihantra teo amin’ny faritra misy azy. 5% kosa ny ambany indrindra, izay any amin’ny faritra Itasy, raha 25% ny eto Analamanga. Ny 31% dia an-tanàn-dehibe ary 24% kosa ny an-drenivohitra. Ny 4 amin’ny 10 amin’ny Malagasy ihany koa no mankasitraka ny fitsaram-bahoaka. Ambony kokoa io taham-pankasitrahana io ho an’ny mponina ambanivohitra, izay 43% raha toa ka 31% kosa ny an-tanàn-dehibe. Ny 80% amin’ny mponina eny ambanivohitra ary 55% ho an’ny eny an-tanàn-dehibe miaina ao anatin’ny dina na teny ifampierana hoenti-mandrindra ny fiarahamonina. Ny resaka fanolanana, dia 44% no mankasitraka fa ilaina ny fitsaram-bahoaka avy hatrany, 40% kosa amin’ny resaka halatra omby, ary 22% amin’ireo resaka halatra hafa, toy ny sinto-mahery. Raha ny tontolon’ny fampianarana kosa ny 76% amin’ny Malagasy no tsy mankasitraka ny fanafoanana ny fanadinana CEPE, raha toa ka 59% izany ho an’ny fandravonana ny ambaratonga fototra sy ambaratonga faharoa ho iray. Mifanohitra amin’izay kosa anefa, dia 51% amin’ny Malagasy no mankasitraka fanovana ny tetiandrom-pampianarana ho manomboka ny volana martsa hatramin’ny novambra. 33% tamin’ny 2014 ny taham-pankasitrahan’ny olona ny governemanta amin’ny fanomezan-danja ny governemanta amin’ny sehatry ny fanabeazana, ary lasa 54% tamin’ity 2018 ity, saingy mbola ambany lavitra mitaha ny tamin’ny 2008 nitondran’i Marc Ravalomanana. Ampahany amin’ny tatitra ihany ireo, izay ampitain’ny Afrobaromètre amin’ny tompon’andraikitra sy ambaratongam-pahefana isan-karazany hahafaha-mandray fepetra na vahaolana, hoy ny mpandrindra Laetitia Razafimamonjy. Mba misy mihaino ve ny mpitondra sa mijanona ho antontanisa ampiasain’ny mpikaroka sy ny mpanao fanadihadiana fotsiny ny tatitra toy izao ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT