Fandriampahalemana

Fitsaram-bahoaka 3 lahy najedaky ny olona tao Tanambao Manampotsy


  • Zoma 30 Septambra 2022

Mpangalatra taolam-paty 4 lahy no tratran'ny fokonolona tao Ampasimadinika Tanambao Manampotsy omaly alakamisy 29 septambra 2022 vao mangiran-dratsy.

 Ny 2 tratra ambodiomby, ny 2 kosa rifatra nandositra. Novonoin'ny fokonolona avy hatrany ny iray tamin'ireo voasambotra, raha mbola nasaina niteny ny namany ny iray. Rehefa voalazany ny anarana mpandraharaha ao an-toerana dia novonoin'ny fokonolona ihany koa izy. Tratran'ny fokonolona ihany koa ny fahatelo amin'izy efa-dahy ka novonoin'ny fokonolona avy hatrany raha mbola ifampitadiavana ilay faha efatra. Nirohotra nankany amin'ny fivarotan'ilay mpandraharaha voatonontonona ny fokonolona ka voaroba ny tranon'io mpandraharaha io, raha lasa nandositra kosa ny tenany. Tsy vao zao io mpandraharaha io no voarohirohy amin'ny resaka taolam-paty, hoy ny fanamarihana avy any an-toerana. Efa miezaka mandamina ny Zandarimaria sy ny olom-boafidy any an-toerana. Niezaka mandamina sy mifampiresaka amin'ireo fokonolona ny Zandary, lefitry ny lehiben'ny distrika ary ny lefitry ny ben'ny tanana ao an- toerana. Raha ny vaovao azo avy any an- toerana dia misy olom-boafidy voatonontonona amin'ity raharaha ity. Misy mpandraharaha iray ihany koa ahiana mafy ary heverin'ireo fokonolona fa efa ao amin'ny biraon'ny zandary ka izay no nahatonga azy ireo nisavorovoro. Tsy vao sambany no nisy fitsaram-bahoaka tamin’ny raharaha taolam-paty tany Tanambao Manampotsy satria ny fiandohan’ity taona ity, tamin’ny 5 janoary dia efa nisy lehilahy iray nodoran’ny olona velona rehefa nahatrarana taolam-paty manodidina ny 80. Isan’ny olana ao Tanambao Manampotsy ny fahavitsian’ny mpitandro filaminana satria zandary miisa 3 fotsiny ka tsy tena afa-manoatra.
MIRONGATRA INDRAY
Tsikarikaritra ho mirongatra indray ny fikasana hanao fitsaram-bahoaka satria 3 izany raha kely indrindra tato anatin’ny iray volana. Vao ny 29 aogositra teo ilay tany Ikongo izay niafara tamin’ny fampiasan’ny zandary basy ka namoizana ain’olona efa ho 30. Raharaha famonoana vehivavy iray sy fakana ny zanany varira no antony. Tany Ihosy indray vao herinandro izay, nokasain’ny vahoaka hatao fitsaram-bahoaka ihany koa ny lehilahy iray notsaboina tao amin’ny Hopitaly izay voatonona ho ny iray tamin’ireo jiolahy mpanakan-dàlana nahafaty tovolahy vao 19 taona. Io indray ny tany Tanambao Manampotsy noho ny raharaha vaky fasana sy halatra taolam-paty mirongatra.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT