Fandriampahalemana

Fitifirana sergent-major Lavon’ny balan’ny zandary i Badista


  • Alarobia 20 Aprily 2022

Dahalo ikoizana sady mpamerin-keloka antsoina hoe : Badiste ,32 taona tompon'antoka tamin'ny fitifirana nahafaty an'i Sergent-major Randrianaivomanana René Victor tamin'ny 10 marsa lasa teo tao Ambohimpihaonana

Ambohidratrimo no saron’ny mpitandro ny filaminana.Ny kaompania Imerina afovoany no nahatratra azy io tamin’ny Alahady lasa teo tany amin’ny kaominina ambanivohitra Sadabe, distrikan’i Manjakandriana. Nosakanan'ireo dahalo namany ireo zandary nitondra azy ka, raikitra ny fifampitifirana. Nanararaotra nandositra izy nandritra izany saingy lavo rehefa voan'ny balan'ny zandary. Ramatoa iray mpamatsy bala azy kosa no efa naiditra am-ponja.Nisy namany 2 lahy, niatrika fampanoavana ihany koa omaly.Marihina moa fa basy iray sy vodim-bala (calibre 12) iray no hita teo amin'ilay toerana nifanandrinan’ny roa tonta.
Nangonin’i Pati
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT