Fandriampahalemana

Fitateram-bahoaka eto Iarivo Efa miseho tava ary mandrahona ny olon-dratsy


  • Zoma 01 Aprily 2022

Niparitaka tamin’ny tambazotran-tserasera Facebook omaly ny rakintsary mampiseho tovolahy iray mandrahona mpandeha fa tsy migadra izy fa ny findain’ilay mikasa maka sary azy sy ilay mpandeha no mety ho potika. T

sy fantany amin’io fa efa azo sary “video” ny tenany miteny izany rehetra izany. Tao anaty zotra fitateram-bahoaka 154 A moa no nitrangan’ity seho ity ary araka ny fampitam-baovao dia karazan’ireny mpangaro-paosy ilay mipetraka eo akaikinao ireny izy io. Mody misisika be manao fanahy iniana manery anao. Rehefa notenena izy dia mody nitabataba be ary dia sahy mandrahona mihitsy. Izaho, hoy ny mpandeha iray, tafiaraka tamin’izy io koa fa vatoaratra na “batterie” fotsiny no nalatsany dia mody lazainy fa nafenin’ilay “receveur’’ hono nefa tsy misy finday akory teo fa miisa 3 zareo niaraka teo amin’ny vavahady. Lasa nianatra aho dia teo Ampefiloha nidina ary nanitrikitrika teo fotsiny izy fa tsy sahy akory, hoy hatrany ity mpandeha ity. Zotra 186 sy 154 ary 109 sy 147 no tena fiakarany, hoy hatrany ny fanazavana. Tsy menatra miseho tava sy mandrahona anaty fiara fitateram-bahoaka, araka izany, amin’izao fotoana izao ny olon-dratsy, raha ity loharanom-baovao ity hatrany. Miantso ny mpitandro filaminana mba handray ny andraikiny manoloana ny toe-draharaha moa ireo nitaraina nanoloana ity tranga ity.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT