Ati-pako! Tamin’ny zoma tapaky ny volana martsa teo no nisy nanao ati-pako ny basy kalaknikov roa, fa ny 2 hafa kosa mpitana ireny fitaovam-piadiana ireny efa nahazo alalana tany aloha no nanatitra izany teo amin’ny zandary,
araka ny fampitam-baovaon’ny zandarimariam-pirenena eo amin’ny Toby Ratsimandrava. Mba tsy hahavoarohirohy ireo mpitana basy tsy ara-dalàna dia nateriny tsy lavitra ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena tao amin’ny kaominina Fenoarivo, distrika Ambatofihinandrahana ny fitaovam-piadiana basy kalachnikov roa, sahabo tamin’ny 3 ora sy sasany tolakandro. Nampilaza ny zandary tamin’ny laharana miafina ilay nanatitra mangingina ny basy ka tonga naka izany ireo mpitandro filaminana ary nanatitra azy tao amin’ny toerana fanatobiana ireo basy. Teo Ambotofinandrahana, renivohitry ny Distrika kosa indray, nampita hafatra tamin’ny antso an-tariby ny mpitana basy tany aloha fa hanatitra azy ireny any amin’ny toeram-piasan’ireo mpitandro filaminana. Noraisin’ireo zandary tao amin’ny toby kaompania teo an-toerana ny basy kalachnikov vita sinoa iray sy ny basy mahery vaika iray hafa marika MAS 36. Naterina tany amin’ny ivon-toerana fitehirizam-basy ihany koa ireo fitaovam-piadiana avy amin’ity mpanatitra an-tsitrapo ity. Araka ny lalàna velona izay noentanina efa hatramin’ny taon-dasa ka nandorana ireo fitaovam-piadiana azo, teo amin’ny tokontanin’ny Lapan’ny Tanana, tsy misy arakakaraka ireo mpitazona izany tsy ara-dalàna raha manatitra an-tsitrapo, tahaka ireto tao amin’ny Distrikan’Ambatofihinandrahana izao. Izao no notanterahina moa dia mba hampilamina ny fandriampahalemana.
Haja Nirina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.